Namoaka fiara vaovao marika Kaiyi X7 ny CT Motors. Fiara matanjaka sy manaraka ny fivoaran’ny teknolojia niomerika amin’izao fotoana izy io. Raitra tanteraka ny fiara amin’ny endrika ananany sy ny pitsopitsony rehetra mandrafitra azy. Tsy manam-paharoa sy mampilamin-tsaina ny ao anatin’ny Kaiyi X7 amin’ireo seza tsara voatra. Mahazaka olona dimy hatramin’ny fito ity fiara ity. Atokisana sy miaro amin’ny loza izy amin’ny fananany ny « airbag » miisa enina sy fahafahana manampy ny mpamily amin’ny fihodinana sy fiatoana amin’ny alalan’ny fampiasana ny « système panoramique intelligent à 360 degré ». Malalaka sy ahatarafana hazavana tsara ny ao anatin’ny fiara. Tsara endrika sy mora entina ny Kaiyi X7 noho ny fananany an’ireo « design » manaitra ny maro. Afaka mijery mivantana eny amin’ny showroom, CT Motors, ireo liana te hividy na koa hamandrika ny « test driver » ny Kaiyi X7.
Henintsoa H.