« Festival de Cannes 2024 » : handray anjara ny Apaser sy ny RFC

Tanterahina ao amin’ny Palais des festivals ao Can­nes, France, nanomboka ny 14 mey hatramin’ny 25 mey 2024, ny « Festival de Can­nes », andiany faha-77. He­tsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’
ny sarimihetsika maneran-tany. Fifaninanana maro, atrikasa, velakevitra sy valandresaka arahina adihevitra, iarahana amin’ireo sangany sy manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, no handravaka izany hetsika lehibe izany. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Laza, talen’ny Rencontre du film court Madagasikara (RFC), miaraka amin’ny Alliance panafricaine des scénaristes et réalisateurs (Apaser).
Tomefy mpanatontosa sarimihetsika maneran-tany ny Palais des festivals, tao Cannes, omaly, nandritra ny lanonanana fanokafana ny hetsika. Nentina nanokafana izany ny horonantsarin’i Quen­tin Dupieux, « Le Deuxième Acte ». Greta Gerwig kosa no ho filohan’ny mpitsara mandritra ny fifaninanana. Miisa 11 ny fifaninanana sy amboara ofisialy hozaraina mandritra ity « Festival” ity. Mahatratra hatrany amin’ny 21 kosa ny amboara hafa.
Raha ho an’ny sehatry ny sarimihetsika malagasy. Ma­lagasy nandray anjara voalohany tamin’izany Andriama­nan­tsoa Koloina, nandritra ny andiany faha-74. Fanara­raotra lehibe hivelarana sy hampivelarana ny fahaiza-manao sy ny zava-bita, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ny « Festival de Cannes ».

Lin

Partager sur: