Fiara 4×4 namoa-doza: olona roa namoy ny ainy, telo naratra

Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, tao Ambositra tampon-tanàna, omaly. Maty tsy tra-drano ny lehilahy roa. Olona telo hafa nentina namonjy hopitaly.

Tapaka hisatra, namoa-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray avy any Andre­fantsena, Ambositra, omaly ma­raina, tamin’ny 8 ora. “Voa­faoka ny mpandeha an-tongotra, ny posy nandalo tamin’ny arabe, fiara hafa sy moto”, hoy ny nanatri-maso tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Nifatratra tamina trano amoron-dalana ilay 4×4 avy eo. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ny lehilahy iray. “Potika mihitsy ny tarehiny”, araka ny fanamafisan’ny nanatri-maso. Ankoatr’io, lehilahy iray hafa koa tsy naha­tsiaro tena. Niezaka nitondra ireo niharam-boina namonjy ny toeram-pitsaboana avy hatrany ny fokonolona nampian’ny mpitandro filaminana. Tsy tana anefa ny ain’izy roa lahy voadona mafy ireo.

Voa mafy
Tetsy ankilany, lehilahy roa sy vehivavy iray arahi-maso akaiky ny fahasalamany eo anivon’ny hopitaly ao Ambositra. Naratra mafy vo­katry ny dona nahazo azy izy telo mianadahy ireo. Notana­na hatao famotorana eny anivon’ny polisy ny mpamilin’ny fiara nahavanon-doza. Samy manana ny filazany ny mponina nanatri-maso manoloana ity tranga ity. “Taitra tampoka ny mpamily ka tsy ny hisatra no vohitsaka fa ny fanafainganam-pandeha, araka ny nambaran’ny nanatri-maso”, hoy ny nambaran’ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Etsy ankilany, misy ny milaza fa tapaka hisatra tokoa io fiara tsy mataho-dalana io ka nitera-doza. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: