Hafatry ny eveka: mitsipaka ny famosirana

Anisan’ny nisongadina tamin’ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) ny tsy fanekena ny famosirana ireo mpanolana. Nentin’izy ireo ny hevitry ny fiangonana manoloana io lalàna io. Ekena fa heloka bevava ny fanolanana ka helohin’ny fiangonana izany, araka ny hafatra. Miombom-po sy mankahery ireo niharan’ny fanolanana izy ireo ary mitaky ny hiahiana azy ireny. “Tsy tonga amin’izao lalàna hafahafa izao anefa isika raha nampiharina ara-drariny amin’ireo nanao heloka ny lalàna efa nisy. Tena hanafoana ny fanolanana ve ny famosirana”, hoy ny eveka. Notsiahivin’ny hafatra fa miray feo ny eglizy sy ny fanambarana momba ny zon’olombelona ary koa ny lalàna eto amintsika fa mifanohitra amin’ny hasina maha olona ny fampijaliana ampiasana herisetra. Masina ny vatan’olombelona amin’ny maha asa tanan’Andriamanitra azy ka tsy misy manampahefana aminy na ny lalàna aza ka haka ny toeran’ilay Mpahary, araka ny hafatra.
Notsindrin’ny eveka koa fa ny ara-boajanahary ihany no mifanaraka amin’ny fampianaran’ny fiangonana manoloana ny laharam-pahamehan’ny fanjakana momba ny fandrindram-piterahana.

Synèse R.

Partager sur: