Nomarihin’ny solontenan’ny OMS, izay nisolo tena ny Imep sy ireo mpiray ombon’antoka eto Madagasikara, fa tato anatin’ny fito volana, tsy nisy ny trangana lefakozatra manerana ny Nosy. Miroso ny ezaka hamongorana ity aretina ity.
Tanterahina manerana an’i Madagasikara, nanomboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao, ny hetsika vaksiny faobe fanefitry ny aretina poliomelite na lefakozatra ho an’ny zaza latsaky ny 15 taona. Nosantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, manoloana ny Maison Mohair Ampanihy, biraon’ny Pam, ao amin’ny fokontany Ambalatsiefa, kaominina Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana ny hetsika. Fanaovana vaksiny fanefitry ny lefakozatra sy fanomezana fatra fanampiny (AVS polio), niarahana tamin’ny reny mpiahy ny fanaovam-baksiny, Rajoelina Mialy, sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nanotrona tao koa ny solontenan’ny OMS eto Madagasikara, Dr Laurent Musango, sy ny solontenan’ny Unicef, Christine Jaulmes.
Nosafidiana manokana hanombohana izao hetsika izao ny ao Ampanihy Andrefana satria mbola maro ireo zaza sy ankizy tsy mbola nahazo io vaksiny fanefitry ny polio io mihitsy (zero dose) ao an-toerana. Samy nanamafy ireo tomponandraikitra nandray fitenenana fa areti-mandoza mora mifindra ny lefakozatra ka mila hamafisina ny fiarovana azy tsy hiparitaka. « Mety ho tratry ny aretina poliomelita avokoa ny zaza sy ny ankizy ary ny lehibe ka ny vaksiny irery ihany no ahafahana misoroka izany. Ilaina ny famerimberenana sy fanomezana ny fatra fanampiny amin’ny vaksiny fanefitry ny poliomelita na efa natao izany aza ilay zaza tany aloha”, araka ny fanamarihan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, nandritra ny lahateniny.
Ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona ny vaksiny maimaimpoana eny amin’ny toeram-pitsaboana sy eny an-tsekoly ary isam-pokontany. Misy koa ireo mpiasan’ny fahasalamana manatona isan-tokantrano manome ny vaksiny.
Vonjy