INDRAY MIJERY

Miara-miasa akaiky amin’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Atsinanana ny orinasa Ambatovy hanatsarana ny fari-piainan’ireo mpanjono ao Toamasina, amin’ny alalan’ny tetikasa “Blue economy”. Miroso ny tetikasa ary efa nahitam-bokatra satria mpanjono 400 mahery nahazo karatra maha matihanina, vondrona mpanjono dimy nomena taratasy vonjimaika milaza ny maha ara-dalàna azy ary lakana 261 nomena laharam-pamantarana.
26 ny mpanabe ao amin’ny Akanin’ny marenina ary misy mpiasa an-tselika manampy azy ireo mampihodina ny fampianarana. Mpanabe maheno ny ankamaroan’izy ireo. Matetika ireo ray aman-dreny manan-janaka marenina no mangataka ny handraisana ireo iray tampo aminy ao amin’ny sekoly, nitarika ny firosoana amin’ny fanabeazana mampiaty.
Misy fanadihadiana maneran-tany karakarain’ ny Alzheimer’s Disease International mahakasika ny Fomba fijerin’ny fiarahamonina ny aretina Alzheimer sy ny aretina toa azy. Afaka mandray anjara avokoa ny olon-tsotra, mpitaiza marary, mpitsabo na ireo olona marary koa. Ny vokatr’izany fanadihadiana izany dia hivoaka amin’ny World Alzheimer’s Report 2024. Manaraka ny rohy https://www.bit.ly/World-Alzheimer-Report-2024-Survey ireo vonona hamaly ny fanontaniana.
Mitoetra miandalana amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy ny alondrano vaventy ateraky ny tsioka atsimo. Hisy koa ny alondrano ateraky ny varatraza any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, eo anelanelan’i Morombe sy Vangaindrano, hiitatra eo anelanelan’i Mananjary hatrany Antalaha izany.

Partager sur: