Kitra – « Mondial 2026: hatao any Afrika Atsimo ny lalao roa an’ny Barea

Tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf ny kianja Barea, ny alahady lasa teo. Namoaka ny kianja handraisana ny lalao roa hihaonan’i Madagasikara amin’i Comores sy Mali ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).

Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), nandritra ny fivoriana natao omaly, hotanterahina any Afrika Atsimo ny lalao hifanandrinan’i Madagasikara amin’i Comores sy Mali. Marihina fa ireo fihaonana roa ireo, tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadina ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taona 2026, any Etazonia.
Tsiahivina fa tokony hatao ao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny fihaonana saingy noho ny tsy fankatoavan’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) ny fotodrafitrasa, voatery nafindra any an-toeran-kafa. Araka ny vaovao voaray, tsy neken’ izy ireo ny bozaka hilalaovana, izay hita fa efa ratsy tanteraka. Tsy nankatoavin’ny Caf ihany koa ny velaran’ny trano fiomanan’ny mpilalao. Tsy misy tafo ny toerana hipetrahan’ny olo­na manan-kaja. Tsy miavaka tsara ny toerana hipetrahan’ny mpanao gazety.

Madagasikara laharana fahatelo
Tsara ny mampahafantatra fa manana isa telo ny Barea amin’ity fifanintsanana ity, ary laharana fahatelo ao amin’ny vondrona “I” no misy azy. Tamin’ireo lalao roa natao, resin’i Ghana 1 no ho 0 i Madagasikara, nandritra ny andro voalohany ary nandresy 3 no ho 0 an’i Tchad, teo amin’ ny andro faharoa. Laharana voalohany ao anatin’ity sokajy ity i Comores, manana isa 6 raha toa ka faharoa i Mali, isa 4. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Les Aigles Mali, efa niatrika ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika “Can 2024”, izay natao tany Côte d’Ivoire, ny volana janoary – febroary lasa teo. Fanamby goavana, noho izany, no miandry ny ekipa nasionaly Barea, izay tarihin’ ny Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Félix. Tanjon’izy ireo ny hanao “Mondial 2026”.

Fitia Randria

Partager sur: