Taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny alatsinainy lasa teo, dia misy ny dingana vita. Nilaza ity tomponandraikitra ambony ity fa an-dalana ny fampiraharahana amin’ny fanjakana afrikanina tatsimo amin’ny fampodiana ny volamena. Ireo tompon’antoka tratra ambodiomby, tany an-toerana, no nisava lalana ny entana.
Tsiahivina fa ny 31 desambra 2020 no nisehoan’ny trafika, izay niala avy tao Toliara, tamin’ny fiaramanidina manokana. Efa any Johannesburg, Afrika Atsimo, vao tratran’ny mpiandry sisintany. Telo izy ireo no voasambotra tamin’izany fotoana ka anisany izy mirahalahy nampodiana an-tanindrazana ireo. Voaheloky ny fitsarana afrikanina tatsimo higadra 10 taona, miampy lamandy 52 miliara Ariary izy ireo, ny taona 2021.
Ny zoma 16 desambra 2022 kosa vao nandalo ny Fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Pac) ny raharaha teto Madagasikara. Olona 25 izy ireo no voarohirohy tamin’izany. 18 kosa no namaly ny antson’ny fitsarana nalaina am-bavany sy nanaovana fanadihadiana lalina. Anisan’izany ny tale jeneraly sy ny sekretera jeneralin’ny ACM. Ireto farany izay nifanipaka an-toerana tamin’ny famotorana satria nilaza ho mpanatanteraka ny baikon’ny lehibeny. Nisy zandary, mpiasan’ny fadintseranana, olon-tsotra hafa niaraka tamin’izy ireo. Marihina fa nampidirina am-ponja roa taona an-tranomaizina ny mpanamory roa lahy. Voaheloka nandoa lamandy 10 tapitrisa Ariary kosa ny sekretera jeneralin’ny ACM. Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ny 16 hafa.
J.C