Orange Madagascar : niova filamatra ho Orange eo anilanao  

Manamafy ny fanoloran-tenany ho tambajotra azo itokisana amin’ny alalan’ny teny filamatra vaovao ny Orange Madagascar. Nosafidiana manokana ny Orange eo anilanao ho marika fa eo akaikin’ny Malagasy tsirairay, tao anatin’ny fotoana rehetra, nandritra ny 20 taona, ity tambajotram-pifandraisana ity. Tsotra, mora raisina ary mifanaraka amin’ny andavanandron’ny mpanjifa ity tenim-pamantaran’ny Orange Mada­gascar ity. Maneho ny maha izy azy sy vonona hanakaiky hatrany ny Malagasy ny hoe Orange eo anilanao . « Mihoatra lavitra noho ny teo aloha ity mari-pamantaran’ny Orange ity. Mampiray ny rehetra ny soatoavina, ny firaisankina ary ny fahatsoram-po », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Mada­gascar, Frédéric Debord, nandritra ny fampahafatarana ny teny filamatry ny tambajotra. Nohamafisiny fa manamafy ny maha zava-dehibe entina hanatsarana ny tambajotra sy ny andraikitra sosialy ataon’ny orinasa izany.

Ho an’ny mpanjifa

Mifototra amina andry fito mampandroso ny Orange Ma­dagascar ny mari-pamantarana vaovao napetraka. Ao anatin’izany ny fahombiazan’ny tolotra samihafa omeny, ny kalitaon’ny asa ho an’ny mpanjifa. Ankoatra izay, mampanantena fahakingana amin’ny alalan’ny tolotra ataony sy ny fahazoana ny internet tsara kalitao ary ny fampandrosoana ny fampiasana teknolojia ho an’ny rehetra koa ity orinasam-pifandraisana ity. Nanome toky izy fa hampifandray hatrany ny rehetra, amin’ny alalan’ireo traikefa ananany nandritra izay vanim-potoana nahateo azy izay.

Henintsoa H.

Partager sur: