Tao anatin’ny taom-pianarana dimy no nampiharan’ny sekoly mandray ny ankizy marenina eny 67ha tsikelikely ny fanabeazana mampiaty. Raisin’ny tomponandraikitra hianatra miaraka amin’ireo mpianatra marenina ireo ankizy mahare, raha ny mifanohitra amin’izay no niseho taloha. « Ankehitriny, sekoly mampiaty ny Akanin’ny marenina, rehefa nahatsapa ny vokatsoa nentiny ho an’ny mpianatra roa tonta », hoy ny tomponandraikitry ny fampiofanana ao amin’ny Akany, Ravelosaotra Fitosoa. Tombontsoa lehibe ny fampiarahana ny mpianatra marenina sy ireo mahare satria misy fomba mahomby (communication totale) ampiharina amin’ny ankizy mahare. Mamolavola ity farany hahay hiaty amin’ny olona samihafa aminy rehefa eny anivon’ny fiarahamonina ny fiarahana mianatra, isorohana ny fanilikilihana. Ho an’ny ankizy marenina kosa, mitombo ny lentam-pahalalany rehefa miara-mianatra amin’ny olona maheno izy ireo. Mampiasa ny teny tanana sy ny teny am-bava ny mpampianatra eny am-piandohana ary mihena tsikelikely izany rehefa mahafehy ny teny tanana ny iray kilasy. Manomboka amin’ny kilasy garabola hatramin’ny famaranana, miara-mianatra ny mpianatra marenina sy ny maheno ary mizotra milamina ny fampianarana. 14 ny mpianatra T5 hanala fanadinana ao amin’ny Akama amin’ity taom-pianarana ity ka mpianatra roa amin’ireo no maheno. Ho an’ny kilasy T9 (3è), enina ny mpianatra mahare amin’ny 16 hanala BEPC. Dimy ny mpianatra maheno ao amin’ny kilasy famaranana amin’ireo 19 hanala ny bakalorea.
Vonjy