Anisan’ny ezaka tanterahin’ ny Fikambanana mandresy ao Ambatofinandrahana (FMA) ny fampandrosoana ny eny ifotony tao anatin’ny tao maro nijoroany. Anisan’izany ny fanomezana rano fisotro ho an’ ireo fokontany any an-toerana. Ny jiro manazava ny tanàna ary koa ny fanohanana eo amin’ny lafiny fahasalamana ireo mponina any amin’ity distrika ity. Ankoatra izany, ny fanampiana ny vehivavy sy
ny fikambanam-behivavy eo amin’ny fampitaovana azy ireo sy ny fizarana masomboly.
Manampy izany ny fidinana ifotony eny anivon’ny fokontany mihaino ny hetaheta sy ny olan’ny vahoaka ka itondran’ ny FMA ny mety ho vitany sy ny anjara biriky ho amin’izany.
Tsiahivina fa anisan’ny mpitarika ny fikambanana ny tale kabinetra teo aloha eo anivon’ny Ceni, Andriamifidy Jean Louis. Efa nametra-pialana amin’izany andraikitra notanany izany ny tenany, araka ny nambaran’ny filohan’ ity rafitra mikarakaraka ny fifidianana ity. Nahafahan’ny mpitarika ny FMA naneho ampahibemaso ny fanohanany sy ny nitsofany rano ny kandidàn’ ny Irmar any Ambatofinandrahana, Razafindrabary Richard izany, nialoha ny fampielezan-kevitra. Manohana izany koa ny eo anivon’ny AFF any an-toerana ho fiarahana amin’ny fitondrana mijoro. “Hitohizan’ ny fampandrosoana efa natomboka ao Ambatofinandrahana ka anentanana ny rehetra hametraka fitokisana amin’ ny kandidà miaraka amin’ny filoha am-perinasa”, hoy ny FMA.
Synèse R.