Andriamanana Nivoarivony : “Tsy tokony hanome fampianaran-diso ny mpomba azy ny mpitarika politika”

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana depiote izao… Manao ahoana? Maneho ny fijeriny ny fiarahamonina sivily avy amin’ny Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoari­vony. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny hafatra amin’izao fampielezan-kevitra amin’izao?
Andriamanana Nivoarivony (-): Mampahatsiahy ny fiarahamonina sivily ny amin’ny fihantsiana na ny famadibadihan-dresaka hitarihana olona any amin’ny fankahalana na fikomiana: tokony handeha amim-pilaminana ny fifidianana. Izay no tanjona. Mila mahay mahafantatra koa mpitarika antoko politika izay manabe ny mpikatroka ao aminy: inona ny anjara andraikitry ny tsirairay ao anatin’izao seha-pifidianana izao? Tsy tokony hanome zavatra diso na fampianaran-diso ny mpomba azy izy ireo. Mila hajaina hatrany kosa ny tsy fiandaniana ho an’ireo eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana.

* Olona toy inona no tokony hofidin’ny vahoaka?
– Izay tena hitondra ny teniny… Mitondra tolo-dalàna koa amin’ny maha depiote azy. Ampirisihana ny vehivavy kandidà amin’izany, fa mba be­tsaka ry zareo tamin’izao. Tena hita marefo ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina. Mila fanatsarana sy fampandrosoana izay seha-piarahamo­nina ho an’ny vehivavy izay. Tsy mandrisika ny olona hifidy an-dRanona na Ranona izahay, fa ny mponina isaky ny dis­trika no mahita: iza no tena hitondra izay hetahetany ary hanao tolo-dalàna? Eo koa ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatante­raka.

* Ary ataon’ny vahoaka amin’izao fampielezana-kevitra izao?
– Miankina amin’ny fifehezan’ny kandidà ny asa maha depiote raha voafidy izy no tokony hojeren’ny vahoaka. Ma­moaka vina handresen-dahatra ny vahoaka ny kandidà. Izay no tokony horaisin’ny vahoaka, raha maharesy lahatra azy na tsia: sao manao kobaka am-bava fotsiny? Azo atao ny manao karazana dina amin’izany: inona no hataon’ny kandidà raha izy no hofidina? Mahazo maka toky toy izany ny vahoaka, mamotopototra tsara ny kandidà. Tany an-dalam-pandrosoana isika, mampalahelo ny fizarana zavatra izay fividianana mpifidy ankaloka. Vokatry ny tsy fisian’ny famerana ny vola ampia­saina amin’ny fampielezan-kevitra io. Tsy fandikan-dalàna ny fiza­rana zavatra amin’ny fampielezan-kevitra, fa fomba fiady amin’ ny tany an-dalam-pandrosoana.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: