Cisco Avaradrano : niakatra ny isan’ny mpiadina CEPE sy BEPC

Hifarana rahampitso ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny Cisco Avaradrano raha efa nosantarina ny zoma lasa teo. Toerana telo no man­dray ny mpiadina 8497 mandritra ny herinandro : Talata Volonondry, Ankadi­nan­driana ary eny amin’ny Kianja Akamasoa (tantanin’ny mopera Pedro), araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco Avaradrano, Ratsimandresy Aina. Nilamina ny fizotry ny fanadinana, ankoatra ny mpiadina torana fa tsy nisakafo maraina. Misy mpitsabo sy tomponandraikitra efa misahana izany rehefa mitranga ny olana.
Niakatra avokoa ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinana roa CEPE sy BEPC ho an’ny Cisco tamin’ity taom-pianarana ity. Mahatratra 11 232 ny mpiadina ho an’ny CEPE hitsinjara amin’ny foibem-panadinana 23. Mpiadi­na 8 taona ny zandriny indrindra ary 32 taona ny zokiny indrindra amin’ireo. Ho an’ny BEPC, 8936 ny isan’ny mpiadina hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 23 ihany koa. 11 taona ny zandriny in­drindra ary 33 taona ny zokiny indrindra. Hiditra amin’ny CEPE andrana faharoa ny sekoly ao Avaradrano, tsy ho ela. Aorian’ny adina ara-panatanjahantena kosa vao hisedra BEPC andrana ny mpiadina.
Mizotra araka ny lamina ny fanomanana ny fanadinana roa, hoy ny nambarany.

Vonjy

Partager sur: