Mankalaza ny faha-80 taonany ny ivontoeram-pikarohana ho an’ny fandrosoana na ny Institut de recherche pour le développement (IRD) sady nanamarika ny faha-77 taona nijoroany teto Madagasikara. Nisy ny hetsika nentina nanamarihana izany tetsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny alatsinainy hariva teo. Nizara ny zava-bita sy ny fanamby napetrany ho an’ny firenena malagasy ity ivontoeram-pikarohana ity. Nandray anjara tamin’ izany ny solontenan’ny IRD, ny Muséum National d’Histoire Naturelle (MNHN) ary ireo tomponandraikitra samihafa. Lohahevitra novoaboasana nandritra io fotoana io ny fahazoana ny rano, ny fiantraikan’ ny fifindra-monina, ny fanamby apetraka ho an’ny tanàn-dehibe, ny fandripahana ny ala ary ny karbona. Samy nitondra ny heviny mahakasika ny fahasimban’ny tontolo iainana ireo mpandray anjara samihafa. Notsindrina manokana ny jono atao eny amin’ireo ala honko sy ny fampiasan’ny olombelona ny arina fandrehitra. Nitondra fanazavana mahakasika ireo lohahevitra voalaza etsy ambony ireo mpikaroka sy ireo mpanao gazety nandray anjara. Ankoatra izay, nahafahana namaritra ny zava-misy amin’izao fotoana izao ihany koa ny fifanakalozana.
Fizarana
Fotoana iray nifampizarana ny olana sedrain’ny ny tontolo iainana tao amin’ny IFM ny alatsinainy hariva teo. Nampahafantarina ny besinimaro tamin’izany ilay horonantsary fanadihadiana « Les Sentiers du Doute » notontosain’i Laurino Raoelijaona Gourio miresaka momba ireo Mikea.
Tonga teny an-toerana, nanome voninahitra ny hetsika ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Max Fontaine, ny masoivohon’ i Frantsa eto Madagasikara, i Arnaud Guillois ary ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, i Julien Salava.
Henintsoa H.