Fanadinana BEPC: tsara fiomanana ny mpiadina amin’ny adina ara-panatanjahantena

Miatrika ny adina ara-panatanjahantena ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana BEPC, amin’ity herinandro ity. Nizotra tsara ny fanadinana fa ny isan’ny mpiadina no nihena. Taranja facultative ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny BEPC.

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ary hifarana rahampitso ny adina ara-panatanjahantena ho an’ ny fanadinana BEPC tontosaina eny amin’ny Kianjan’Ala­robia. “Nihena be ny isan’ny mpiadina ho an’ity taom-panadinana ity satria lasa 6 000 izany raha 8 000 eo ho foana hatramin’izay. 3 600 no miatrika izany eny amin’ny Kian­jan’Alarobia mandritra ny hadimiana”, hoy ny lehiben’ny toeram-panadinana eny Ala­robia, Randrianarivo Falima­nana, omaly, teny an-toerana. Nisongadina koa fa nifindra any amin’ny sekoly tsy miankina ny ankamaroan’ny mpianatra rehefa hiditra amin’ny kilasy 2nde fa tsy te hisedra ny sokajy L sy S ary OSE ampiharin’ny sekolim-panjakana fa misafidy ny sokajy A-C ary D mahazatra, araka ny fanamarihany ihany.
Nizotra nilamina ny telo andro voalohany ho an’ny mpiadina teny amin’ny Kian­jan’Alarobia. Tsara fiomanana ny mpiadina ka tsy nisy ny olana teo amin’ny fiatrehana. Somary nanahirana ny fitantanana ireo ray aman-dreny mpanaraka fa tsy maintsy napetraka ny lamina tsy mahazo midina eny an-kianja izy ireo fa manaraka eny amin’ ny “gradin” fotsiny. Adina ara-panatanjahantena no hatrehina, tsy ilaina ny mpijery toy ny lalao mahazatra.
Ankoatra ny taranja baolina kitra iarahan’ny vondrona eo amin’ny Kianjan’Alarobia, ao amin’ny lycée teknika Alarobia kosa no tanterahina ny adina ho an’ny basikety sy ny hafa rehetra. Handray ny mpiadina nisafidy ny taranja lomano eny amin’ny ANS Ampefiloha ny tomponandraikitra, ny sabotsy izao, ao anatin’ny adina ara-panatanjahantena ihany. Momba ny tambin-karama kosa, efa nisitraka ny anjarany ny tomponandraikitra ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivo­hitra.

Vonjy

Partager sur: