Ho avy eto an-dRenivohitra: hitondra ny « Indray mihira » ny Sandratra Anjeva

Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny tontolon’ny soratra. Hiova tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay… Hanatanteraka antsa lehibe ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva.

Raha ny avy any an-dRenivohitra no manatanteraka hetsika any amin’ny sampana… Hiova indray izany ! Ho avy eto Antananarivo ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva. Hanatanteraka antsa tononkalo «Indray mihira», ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy Tohatohabaton’Antaninarenina izy ireo ny sabotsy 25 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

Seho tsy hisy vidim-pidirana fa fandraisan’anjaran’ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny soratra. Fampahafantarana sy fifaneraserana amin’ireo samy mpikambana. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Fiantsa Hary Dia, Santatra Ramaro­zaka, Andry Halza, Erika, Zo Nilaina, Ras Varatra, Vina, Endrikaizina, Mahefa Kantom­boahary Tantely, Louve Hian­ja.

Ankoatra ny antsa tononkalo eny an-tsehatra, voandalana hoentin’izy ireo ihany koa ny boky «Indray mihira». Fantatra fa anisan’ny omen’ny Faribolana Sandratra lanja hatrany ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpikambana mba hisian’ny fivelaran’ny talentan’ny tsirairay. Maro rahateo ireo talenta nitsimoka teo anivon’ity fikambanana ity manerana ny Nosy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: