Araha-maso hatrany ilay tangoron-drahona ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Raha ny vinavina, tsy misy ahina ny mety hikasihany an’i Madagasikara na hivadika rivodoza aza ny faran’ny herinandro. Tombanana hitoetra ny orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka atsinanana. Handrahona mety harahina erika kosa ny atitany Atsinanana sy ny ilany Atsinanan’ny afovoantany. Tombanana hidina ny maripana ho an’ny afovoantany sy ny atitany Atsinanana ary ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy.
Araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, ilaina ny fandaminana ny sampana tomponandraikitra misahana ny ady amin’ny VIH/Sida eto amintsika. Zava-dehibe ny fanendrena rafitra iray hisahana ny fanatanterahana ny hetsika rehetra mifandraika amin’izay.
Nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny marsa lasa teo, mahatratra 190 ny trangana herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG) noraisin’ny toeram-pihainoana sy fandraisana CPCI ao Toamasina. Mahatsapa ireo niharan’izany fa manampy azy ny foibe ka manana antoka fa voaaro.
Andro farany ho an’ny fanaovam-baksiny faobe maimaimpoana iarovana amin’ny aretina poliomelita rahampitso manerana ny Nosy. Ankoatra ny toerana mahazatra hanaovana vaksiny, mitety ny sekoly ny mpanao vaksiny na amin’ny toerana farany lavitra indrindra aza.