Lalam-pirenena faha-7 : vita tanteraka ny tetezan’i Manandona Antsirabe

Mitohy ny asa. 12 volana taorian’ny nanamboarana azy, vita ny fanitarana ny tetezan’i Manandona. Nitokana izany ny filoham-pirenena.

Tanteraka ny fanamby ! 84 taona taorian’ny na­namboarana azy, nohavaozina tanteraka ny tetezana ao Manandona PK 186, lalam-pirenena fahafito (RN7). Tonga nitokana izany tany an-toe­rana, omaly, ny filoham-pirenena sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta vitsivitsy ary delagasiona niaraka taminy. Afa-pahasahiranana ny mponina ao amin’ny faritra Vakinakaratra amin’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Ankehi­triny, « ponts à double voies » miisa valo no vita tao anatin’ny dimy taona farany, manerana ny Nosy. Iray amin’ireo efatra amin’ny lalam-pirenena faha-fito (ny roa amin’ny faritra Vakinakaratra) izay mampifandray ny atsimo sy ny avaratra ny tetezan’i Manandona. Ma­nana velarany 7 metatra sy azo andehanana tsara izany ka hanafaingana ny dia. Na­matsy vola tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa Asa fanarenana sy fanatsarana ny tetezana, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza izay nikasika ny RN7 ny taona 2023 « PACT » ny Banky iraisam-pirenena. « Ilaina ny fahavitan’ny tete­zana toy izao satria nataho­rana ny lalana mandritra ny fotoam-pahavaratra », hoy ny ben’ny Tanàna ao an-toerana.

Fotodrafitrasa

Manao tohivakana ny faha­vitan’ny asa goavana toy izao. Vita tao anatin’ny 12 volana avokoa ireo tetezana efatra manaraka ny RN7 dia ny eo Manandona PK 186 + 100 ity, ny ao Ambohimandroso PK 86, Iaritsena PK 471 ary farany any amin’ny PK 730. « Ho vita tsy ho ela ihany koa ny tetez­ana Mangoro », hoy ny mini­sitry ny Asa vaventy, nandritra ny lahateniny.

Simba taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy ny tetezana ka izao namboarina sy nohitarina izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: