Lehilahy iray maty : nibaradaka ilay nanome poizina

Nibaradaka teo am-piandrasam-paty ny lehilahy iray ahina ho nanome poizina tao Fenoarivo Doany, ao Fenoarivo Atsinanana, ny alarobia 8 mey lasa teo. Nilaza ho nanenina ny zavatra nataony teo anoloan’ilay namany namoy ny ainy izy…

Nisehoana trangan-javatra tsy mbola fahita tao amina fiandrasam-paty tao Fenoarivo Doany, ao Fenoarivo Atsinanana, ny alarobia lasa teo. Lehilahy iray 45 taona no maty nisy nanome poizina. Mangana tsy nisy namantarana azy intsony ilay niharam-boina, tsy vitan’izay fa nibontsina be koa ny vatany hatrany amin’ny lohany. Raha ny angom-baovao voaray, nisy asa tanamaro niarahana tamin’ny olona maromaro ny alarobia 8 mey 2024 teo. Niara-nisotro toaka tamin’ny mpiara-monina ity lehilahy ity. Nony tonga tao an-trano anefa, sady nitaraina narary izy no nikiakiaka tsy nisy toy izany. Mipetra-drery rahateo izy fa tsy manam-bady aman-janaka. Nentina teny amin’ny hopitaly izy saingy tsy avotra intsony ny ainy. Tsy vitan’izay fa nivadika maintibe sady nibontsina ny tarehiny. Ni­voaka ra ny orony sy ny sofiny. Tapaka ny tendany.
Lehilahy iray saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nampiahiahy ny fianakaviany anefa ny zava-nanjo azy, kanefa tsy nisy olona noahiahiana izy ireo. Nia­retan-tory ny razana ny alakamisy 9 mey alina. Iny nisy lehilahy iray anisan’ireo niari-tory nanao fihetsika hafahafa. Nanatona ilay razana io lehilahy mpiara-monina io sady niteny hoe : « tsy nampoiziko hahafaty anao iny zavatra nomeko anao iny. Nanenina tanteraka aho ». Hatairana ny an’ireo mpiandry faty naheno azy niteny izany. Naverim­beriny fa nanenina izy ka nilaza fa tsy fanahy iniany fa misy ody ratsy napetraky ny ray aman-dreniny tao aminy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy nitonon-tena ity. Vao mainka aza izy nitanisa fa hoe mbola maro ny olona ao anaty lisitra tiany hovonoina.

Sajo/J.C

Partager sur: