“Eritreretina hatrany hoe politika matoa miteny ny sendikà. Ho anay manokana, tsy resaka politika izao fa tena hoe fanatsarana ny asanay”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, ny amin’ny fanohizan-dry zareo ny fitakiany. Efa an-taona maro ny fangatahana, tsy hialam-bola nefa tsy tanterahina. Izay no mahatonga an-dry zareo miteny hatrany ary miala nenina aloha. Mba te hanatona an’ ireo lehibe ny amin’ny vahaolana amin’izay fangatahany izay. Rehefa tena tsy misy izay ary eo hatrany ny tsy firaharahana, tsy maintsy miditra ao anatin’ny fivoriambe tsy ara-potoana manokana ry zareo hanapahana ny amin’izay ho tohin’ny raharaha. “Mba maharary ihany izany hoe manao antso an’efitra izany izahay, nefa mba nangataka tamin’ny fomba feno fanajana hoe: mba raiso izahay”, hoy izy ny amin’ ny fihaonana amin’ny mpitondra. Manan-kambara matoa mangataka fihaonana. Tsy laharam-pahamehana amin’ ny fanjakana, angamba, ny fangatahan-dry zareo, araka ny nambarany.
R. Nd.