Na pao-droa na votso-droa!

 

Mitohy ny fampielezan-kevitra manerana ny Nosy. Izao vao tena miakatrakatra ny maripana. Izay any ifotony moa tsy tena hita mivantana fa ny eny amin’ny tambajotran-tserasera dia manodoka izay tsy izy. Izay mivoaka toa babany avokoa. Raha ny fitazanana azy rehetra sy ny vahoaka miaraka maka sary dia samy handrombaka ny amboara ka hiaka-dapa eny Tsimbazaza avokoa.
Ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany ataon’ny mpanohana ny sasany. Ny fifampisomparana ihany koa tsy takona afenina. Tsy hay intsony, iza no manao inona? Na iza no mamingana an’iza? Efa hafa mihitsy ny fomba fiady amin’ izao fotoana izao. Tsy miady tsy miady ny an’ny sasany kanefa ny kibay an-kelika ihany. Na hafa indray dia mamandrika ankitsirano izao ny mpifanandrina.
Efa zary fanaovana politika sadasada no misy eto amin­tsika. Tsy hita taratra intsony izay tena fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana ny vahoaka entina sy hoentina. Toe-javatra misy tsy misy mahasahy manohitra kanefa dia antoky ny fampandrosoana nilokalokan’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny fampielezan-kevitra.
Olona vanona no ilain’i Madagasikara fa tsy olona hika­tsaka tombom-barotra ho azy sy ny antokony. Raha mijery ny mombamomba ny kandidà rehetra dia vitsy ihany no manana foto-kevitra. Ny ambiny tsangan’olona nahazo alalana avy amin’ny tompom-pahefana. Na eo anivon’ny fitondrana izany, na eo anivon’ny mpanohitra dia tsy misy mahasamihafa azy.
Tsy mahagaga rahateo ny filalaovana politika eto amin­tsika indrindra ny eto an-dRenivohitra. Ny olona ihany no miova fa ifandovana ny fomba fanaovana azy. Vain’afo am­bony lohan’ny mpanao politika anefa izany satria raha mahay manao pao-droa, raha tsy mahay dia votsi-droa. Mitombina io amin’ny heviny ankolaka na ny heviny mivantana. Na ho an’ny mpanohana na ho an’ny mpanohitra, na ho an’ny mahaleo tena aza. Masina ity taninjakana malalatsika ity!

r.r

Partager sur: