Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony, tao amin’ny distrikan’ Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fihainoana ny mararin’ny vahoaka, fanatanterahana ireo fanamby napetraka ary fitokanana fotodrafitrasa no nandravaka ny fandaharam-potoanan’ny fitsidihana. Anisan’ izany ny fizarana karatany sy ny fitokanana ny tobim-pahasalamana ao an-toerana.
Ao anatin’ny fanambin’ny fitondram-panjakana, mandritra izao fe-potoam-piasany izao ny famerenana sy fanolorana ny tany ho an’ny Malagasy. Nanatanterahana izany ny ao amin’ny kaominina Ampitatafika, Soamanandrariny, Ambatotsipihina ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Karatany miisa 34 500 no nozaraina tamin’ireo mponina ao amin’ ireo kaominina ireo. Niaraka nanolotra izany tamin’ny filoham-pirenena ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajarina ny tany, Andriantsitohaina Naina.
Nahazo fotodrafitrasa entina mamaha ny olan’ny fitsaboana ihany koa ity distrika ity. Notanterahina nandritra izany dian’ny filoha izany ihany koa ny fitokanana tobim-pitsaboana ao Andohafarihy Antanifotsy. Hanala fahasahiranana sy hanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoakan’ny distrikan’ Antanifotsy no tanjon’izao, araka ny nambaran’ny filohan’ ny Repoblika. Nitohy tao Mandoto ny dian’ny filoham-pirenena taorian’ny nitokanana ireo fotodrafitrasa entina manatsara ny sosialim-bahoaka.
Lin