Nitondra fanazavana ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana, fa eo amin’ny sokajy ambony indrindra (fahefatra) ny laharana misy ny kianjan Barea raha atao ny tombana avy amin’ireo fepetran’ny Caf. Ambony ny tarehimarika omena ny kianja raha miohatra amin’ireo fepetra nivoaka ny taona 2022. Tsy manala ny maha manara-penitra ny kianja ny fanapahan-kevitra fa mbola azo hatao tsara ny mitondra fanatsarana mifanaraka amin’ireo fepetra naroso (fanampiana tourniquet eo am-pidirana, fanaronana ny tribune de presse…). Nanao ezaka ary miomana sy mbola vonona hatrany ny fanjakana iarahana amin’ny orinasa mpitantana hanohy ny asa rehetra handraisana ny lalao fahadimy amin’ny volana septambra. Mahazaka mpijery hatrany amin’ny 40 260 ny kianja amin’izao fotoana izao, taorian’ny fanavaozana natao. Mahatratra 201 ny caméra fanaraha-maso ao an-kianja. Arifomba ny lafiny teknika ifehezana ny tsy fandriampahalemana mety hiseho ao an-toerana, ankehitriny. Afaka mamaly ny filan’ny mpijery ny toeram-pivoahana sy fidiovana miisa 435.
Tatiana A