Hanomboka anio any Debrecen, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Lalao Olympika (JO 2024), eo amin’ny taranja basikety lalaovina olona 3. Anisan’izany ny Ankoay lehilahy, izay hifandona amin’i Lituanie, ao amin’ny vondrona «A». Aorian’izay, hidona amin’i Allemagne ary ny sabotsy izao no hifampitana amin’i Suisse.
Tafaraka vondrona ao amin’ny «B » ireo ligim-paritra heverina fa manana ekipa henjana amin’ny fifaninanana Beach soccer, ao anatin’ny Festival Mazavaloha atao any Sambava sy Antalaha ny 14 – 19 mey izao. Miaraka i Boeny, Antsinanana, Menabe, Atsimo Andrefana ary Atsimo Antsinanana. Ao amin’ny “A”, Sava, Analanjirofo, V7V, Melaky ary Diana.
Nanambara tao amin’ny tambanjotra seraserany ny talata lasa teo, ny tomponandraikitry ny klioba 3FB Toliara fa tsy manaiky ny fanapahan-kevitra navoakan’ny CFEM, ny amin’ny hanaovana ny lalao hifanandrinany amin’ny Asa Diana, eto Antananarivo. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny ampahefa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.
Nambaran’ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (FIFA), nandritra ny kongresy nataony tany Thaïllande ny alarobia lasa teo, fa hisy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba sokajy vehivavy. Hatao eo anelanelan’ny volana janoary sy febroary 2026 izany.