VAOVAO TAMBATRA

Hatao amin’ity taona ity ny « Challenge Star­tupper » andiany fahefatra izay hanomezana valisoa an’ireo mpandraharaha 100 mendrika indrindra mane­rana an’Afrika. Hahatratra hatrany amin’ny 300 tapitrisa Ar kosa ny famantsiam-bola ho fanatanterahana ny teti­kasa, manampy izany ireo tohana omen’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.

Voasazy hiasa an-terivozona 10 taona sy handoa lamandy 40 tapitrisa Ar ny tale jeneralin’ny Jirama teo aloha, Andriamanga Vonjy sy Radanielina Rivo. Isan’ ireo voasazy ihany koa ny tale jeneraly lefitra teo aloha, Zasy Angelsa. Niampangana azy rehetra ny fanararaotam-pahefana, fanodikodinam-bolam-panjakana ary famotsiam-bola.

Mahatratra hatrany amin’ny 830 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Bad niasa teto Mada­gasikara hatramin’ny 1 mey 2024. Miisa 20 kosa ireo tetikasa nampiasaina ireo vola ireo nanomboka ny taona 2022 ka hatramin’ny taona 2026. Tratra avokoa ny tanjona tamin’ireo fandaharanasa notanterahina, nandritra ny roa taona voalohany.

Mpianatra kilasy famaranana miisa 80 mianadahy avy ao lisea teknika Miarinarivo no nisitraka ny fanalahidin’ny fandraharahana. Tanjona ny hananan’ireo tanora asa mendrika rehefa hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Samy manaraka lalam-piofanana ara-teknika momba ny fambolena sy ny fiompiana ireto mpianatra ireto.

Partager sur: