Basikety 3×3 – “OQT Debrecen 2024” : ratsy toerana ny ekipa malagasy, Ankoay

Fahavoazana roa avy hatrany no nahazo ny ekipa nasionaly malagasy, Ankoay, omaly, tany Debrecen Hongrie. Mbola sarotra ny lalana ho azy ireo, amin’ity fifaninanana “OQT 2024” ity. Hifanandrina amin’i Suisse izy ireo amin’ny lalao fahatelo.

Lavo indroa teo am-panombohana ny Ankoay. Faharesena roa tamin’
ireo lalao roa nataony, omaly, tany Debrecen. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana isam-bondrona “A”, izay hiadiana ny tapakila hiatrehina ny “lalao Olympika Paris 2024, OQT” Basikety 3×3.
Teo amin’ny lalao voalohany, resin’i Lituanie, tamin’ny isa 21 no ho 13, i Madaga­sikara.
Hain’ireo litunien ny nanararaotra ny fatoritorian’ny Malagasy, ka nitarika 5 no ho 1 izy ireo, roa minitra nanombohan’ny lalao. Manana tombony amin’ny resaka vatana ireo mpifanandrina raha oharina amin-dry Livio sy Elly, mpilalaon’ny Ankoay.
Nandritra ny fihaonana faharoa, niondrika teo anatrehan’i Allemagne, tamin’ny mokafohy, isa 17 no ho 16, i Madagasikara. Resy tany anaty segondra farany ny Ankoay. Tsy ampy nahazoana ny fandresena ho an’ny Malagasy ny ezaka nataon’izy efatra mirahalahy, i Anthony, Arnol sy Livio ary i Elly.

Tsy maintsy mandresy an’i Suisse
Mbola manana lalao iray ny Ankoay. Tsy maintsy mandresy an’i Suisse izy ireo. Tsia­hivina fa ny ekipa nasionaln’i Suisse, nandresy ny mpilalaon’i Allemagne, tamin’ny mokafohy, 19 no ho 18. Araka ny fikarohana natao omaly, izay roa voalohany isam-bondrona ihany no miatrika ny dingana manaraka, izay hatao ny 19 mey ho avy izao.
Tsara ny mampahafantatra fa ireo ekipa telo voalohany amin’ity fifanintsanana ity no miatrika ny “lalao Olympika 2024”.

Fitia Randria

Partager sur: