CEPE andrana : antonony ny vokatra ho an’ny EPP Analakely

Nanatanteraka CEPE andrana ny sekolim-panjakana anatin’ny Zone d’administration pédagogique (Zap), eo anivon’ny Cisco Antananarivo, tamin’ity herinandro ity. Fanadinana voalohany hiomanana amin’ny CEPE. “Ho an’ny EPP Analakely, 53,13% ny mpianatra nahazo ny salanisa 10/20”, hoy ny talen-tsekoly, Razafindranaivo Nadia. Eo ho eo ihany ny vokatra fa mbola misy ny fotoana hanarenana ny lesoka. Ny taranja laza olana sy ny fantsay no latsaka. Any amin’ny kilasy T1 no efa ampianarina mandinika sy mamakafaka ny mpianatra ato amin’ny EPP ary efa voafehiny io fomba fianarana io mandra-pahatonga any amin’ny kilasy T5. Noho ny fahamaizan’ny ankizy nefa, misy fiantraikany amin’ny voka-panadinana andrana izany. Mbola hiatrika andrana faharoa ny ankizy ny 4 jona ho avy izao ka heverina fa hiakatra ny taha, satria atao miverina ny tapakandro hariva ireo kilasy T5 hanamafy ny fizarana. 64 ny mpianatra hiatrika fanadinana amin’ity taona ity ho an’ity sekolim-panjakana ity.

Vonjy

Partager sur: