Fifidianana aloha izao no malaza dia drindran’Ingilo ihany koa ny resabe manodidina izany. Anisan’ny mahabe resaka, nanomboka afakomaly, ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra anatin’ny andro fanaovana fampielezan-kevitra. Mirarakompana ny fitokanana zava-bita. Lohalaharana ny any amin’ny faritra izay heverina fa mampatanjatanjaka ny mpifanandrina, indrindra ireo zanaka an-trano natosi-bohontanana.
Hita fa miridana tsy tana ireo nilatsaka ho mahaleo tena kanefa nitolona sy nanohana ny fitondrana. Maro amin’izy ireny no mamim-bahoaka saingy voasongon’ny mpanao politika politisianina. Ireto farany izay nahay nambabo ny fon’ny tompon’ny lakile. Misy ny ratsy tarehy mangata-bady ka dia ny anaran-dray fotsiny no hindrahindraina. Olana anefa, tsy tompon-tanàna izy ireny any amin’ny faritra misy azy.
Mila mailo sy malina, araka izany, ny kandidàn’ny antokon’ny fitondrana raha te handrombaka ny fandresena. Tsy mbola misy lany avy hatrany izany na inona na inona lazaina. Tsy maridrefy ny vahoaka marobe amin’ny kivorivory. Tsy mitombina koa izany hoe tsy maintsy hangala-bato na hanohana azy ireo ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Mba manana etika sy mahalala ny lalàna ireo mpikambana na dia efa maty enjika aza!
Tsy azo tsinontsinoavina ny hevitry ny vahoaka any ifotony. Tsy tokony hanaovana kinanga io fifidianana ho avy io. Ain-dehibe ho an’i Madagasikara fa tsy ho an’ny antoko na ny kandidà fotsiny. Ady fiady ny fampielezan-kevitra! Na izany aza, tsy tokony hivaona na hirefarefa amin’ny tany ny fomba fanehoan-kevitra sy ny fandresen-dahatra ny mpandatsa-bato. Solombavambahoakan’i Madagasikara no anaram-boninahitra hisaloran’ny mpandrombaka ny amboara ka rariny sy hitsiny raha mipetraka ho modely tsara avokoa ny mpiantsehatra.
r.r