Dihy ankehitriny: hanatanteraka seho miavaka ny Cie Katrakala

Hotontosaina ny sabotsy 18 mey 2024, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny “Tasy”. Fampisehoana maroloko ifangaroan’ny dihy sy ny mozika ary ny saripika, hiarahana amin’ny Compagnie Katraka­la. Tanjon’ny hetsika ny hanaitra ny feon’ny fieritreretan’ny rehetra noho ny fanapotehana sy fanimbana ataon’ny kolikoly eto Madagasikara. Tsy toy ny mahazatra anefa fa amin’
ny alalan’ny haikanto no hanaovana izany fanairana izany.
Amin’ny alalan’ny dihy manaitra no hanehoany ny fahapotehan’ny soatoavina ara-pitondrantena, ny firongatry ny fahadisoam-panantenana ary ny fahaverezan’ny fa­nantenana, noho ny kolikoly. Amin’ny fampiasana ny fitenin’ny loko, izay mampirisika ny saina ny amin’ny ilana hetsika hanoherana ity loza ity, mba hisian’ny hoavy ahafahan’ny fanantenana hateraka indray. Izany rehetra izany no hasehon’ny Katrakala mandritra ny seho rahampitso. Efa vonona ny rehetra ary seho avo lenta no omanin’izy ireo ho an’ny mpankafy.
Avy amin’ny marika Zafi­maniry, midika ho fanambinana sy fahatokisana ny hoe “Katrakala”. Izany no ezahin’izy ireo hijoroana sy haseho ao anatin’ny kantony. Maro ny vinan’ny tarika, indrindra ny fivelarana amin’ireo haikanto maro sy ny mpisehatra eo amin’ny haikanto, indrindra ny dihy.

Lin

Partager sur: