Mitohy hatrany ny fizarana karatany faobe manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Manatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nahazo izany ireo distrika miisa roa any Vakinankaratra, ny 15 mey teo.
Miisa telo ireo kaominina nizarana karatany maherin’ny 34 500 ho an’ny distrikan’Antanifotsy. Eo koa ny fizarana “Kits solaires – Hazavana ho anao», ary ny fanolorana ny CSBII ao amin’ny fokontanin’ Andohanifarihy.
Nozaraina tao amin’ny Tranompokonolona kosa ny karatany 5 300 ho an’ny any Maromandray sy Betsohana, distrikan’i Mandoto. Mbola nisitraka “Kits solaires – Hazavana ho anao» izy ireo ankoatra ny fizarana titra miisa 200. Natolotra tamin’izany koa ny tranom-pokonolona ho an’ny distrikan’i Mandoto. Nitohy tany Amoron’i Mania, tany amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana izany, ka nizarana karatany hatrany amin’ny 19 400 ho an’ireo mponina any an-toerana.
Tsiahivina fa nitarika izany, tamin’ireo faritra ireo, hatrany ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisitra, Andriantsitohaina Naina.
Synèse R.