Fampandrosoana ny eny ambanivohitra : lesoka amin’ny fiakaram-bokatra ny haratsian’ny lalana

Sakana ho an’ny fiakaran’ny vokatra sy ny fandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny haratsian’ny lalana. Mampihena ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany no mampahazo vahana ny fahantrana koa.

Mampijaly ! Ratsy sy simba avokoa ny ankamaroan’ny lalana eto Madagasikara. Anisan’ny mampitontongana ny tontolon’ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra izany. Vokany, mihena ny fidiram-bolan’ny tantsaha, mahazo vahana ihany koa ny fahantrana, araka ny tatitry ny fana­dihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Nivoitra
tao anatin’izany fa 6 000 km amin’ireo 32 000 km eto Madagasikara ihany no vita tara. Nilaza ny Banky iraisam-pirenena fa 11% monja amin’ny lalana latsaky ny 2 km mihazo ny tanàna ambanivohitra no azo handehanana. Nohamafisiny fa mampitoka-monina ny eny ambanivohitra izany sady sakana ho an’ny fambiroboroboana ny famokarana, ny fahitana lalam-barotra. «Miantoka ny fidiram-bo­lan’ny tantsaha sy ny fahafahany mivarotra ny vokatra azony ny fananana lalana tsara», hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Fampandrosoana
Ankoatra izany, antoka ho an’ny fampandrosoana eny ambanivohitra ny fiarovana ny fananan-tany. Sakana ho an’ny fampiroboroboana ny seha-piharian’ny tantsaha ny olan’ny fananan-tany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasam-bola ho an’ny fanatsarana ny seha-pambolena sy ny maro hafa.
Nanomboka ny taona 2016, miara-misalahy amin’ny fitondram-panjakana ny tetikasa Casef amin’ny fanavaozana ny fananan-tany eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Henintsoa H.

Partager sur: