Iankinan-java-dehibe maro ny fanabeazana. Iray amin’ireny ny hoavin’ny firenena manontolo. Ny ho fizotry ny fiainan’ny tsirairay ary ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Tsy tomombana ny fanabeazana, ratsy avokoa ireo. Tsara ny vokatra, mirindra izay ny fanabeazana…
Mizara roa ny tontolon’ny fanabeazana. Ireo mpanabe sy ny beazina. Anisan’ny mpanabe ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpitarika isan-tsehatra, ny mpitantana sy mpitondra isan-tsokajiny. Goavana indrindra, ny lamina voajanahary sy ny fiarahamonina. Tafiditra ho anisan’ny beazina kosa ny zaza, ny ankizy, ny tanora, ny mpianatra, ny zanaka, ny zafy, ny taranaka iray manontolo, sns. Misy anefa mpikaroka milaza fa samy afaka manabe ireo, no afaka beazina, satria, tsy misy ny lafatra.
Sehatra goavana ahitana fa marefo sady tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fanabeazana dia ny fiarahamonina sy ny firenena. Mikorontana ny mpiara-belona, satria, tsy nobeazina tao anaty filaminana. Mitana ny rambony maneran-tany i Madagasikara, satria, tsy nobeazina hanana fahaleovantena ny tomponandraikitra isan’ambaratongany, sns.
Tsy mifanaraka ny olana sy ny vahaolana eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana misy eto Madagasikara. Zaza tsy mahalala fomba, sarontsaronana amin’ny: « efa rivotra iainana mihitsy izany ». Tanora manaotao foana, ampalesina amin’ny: « fandrosoana no mahatonga izany ». Ny lehibe mitazam-potsiny manoloana ny zava-tsy mety, tsorina amin’ny hoe: « … ka izy aza tsy manam-potoana hitenenana an’ireo ».
Beazina amin’ny fomban’ny hafa
Tsy mitohoka ny olana sy ny vahaolana, satria, tsy ilay lamina voajanahary misy eo amin’ny Malagasy sy i Madagasikara no ibeazan’ny taranaka malagasy fa fanabeazana entin’ny vahiny. Amin’ny fotoam-pahavaratra (orambe sy rivodoza) no asaina mianatra sy beazina any an-tsekoly ny zaza malagasy. Tsy hisy fanabeazana vanona amin’izany na mahay tahaka inona aza ny mpanabe. Toerana tsy misy herinaratra (na misy ihany fa zara raha mandeha), kanefa, hizarana tablety na ordinatera ny sekoly na ny mpianatra, satria, izany, hono, no takin’ny fandrosoana, sady fanomezana avy any ivelany ireny ka mila zaraina.
… Saika ahitana vahaolana tsy mitohoka tahaka izany avokoa ny sehatra rehetra eto Madagasikara, hany ka mihemotra andro aman’alina ny Malagasy sy i Madagasikara. Raha mbola vahiny no hitady vahaolana ho an’ny Malagasy, tsy hisy raha manjary eto satria tsy hitohoka hatrany ny olana sy ny vahaolana!
HaRy Razafindrakoto