Fetin’ny Reny: ny vehivavy fanaja

Anisan’ny hevi-bahiny naparitaka teto Madagasikara ny hoe : « tsy manaja vehivavy ny Malagasy », « manampatra fahefana amin’ny vehivavy ny lehilahy », « fanaka malemy ny vehivavy », sns. Petatoko nentina nampifandrafy ny lehilahy sy ny vehivavy ireo. Fomba fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona any amin’ny tany tiany hidirana sy hopotehina.
Tsy ireo velively no endrika nisaloran’ny vehivavy teo amin’ny fiarahamonina malagasy. Tsy azo hadinoina fa vehivavy no tompon’ny tokantrano, satria, izy no kibo nifonosana. Noho izany, nomen-kasina fatratra. Ny vehivavy no mahatsara na maharatsy ny taranaka, satria, izy ireny no akaiky ny zanaka kokoa raha oharina amin’ny ray. Izy no mamelona (manome sakafo) ny menakiniainy, sns.
Nohajain’ny fiarahamonina malagasy ny vehivavy, noho ireny antony ireny. Nomeny ny toerana sahaza azy. Saro-pady sy sarobidy nanoloana ny zanaka sy ny ray. Manana ny hasiny lehibe ny vehivavy teo amin’ny fiarahamonina malagasy ka nitandrin-tena fatratra mba ho fitaratry ny ankohonany!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: