Fianarantsoa : olona 15 000 nisitraka tolotra fahasalamana

Nosantarina, omaly, ny hetsika ara-pahasalamana manatona vahoaka ho an’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Fiana­ran­tsoa. Nanotrona izany ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady mpiahy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, Rajoelina Mialy. Nisy ny fitsaboana manakaiky vahoaka mandritra ny tontolo andro ankoatra ny hetsika “Caravane de santé” izay efa fanao nanomboka ny taona 2019. Manampy ny asan’ireo mpitsabo sy paramedicaux mitety ireo tanàna maro isaky ny distrika ny fanatonana ny vahoaka manao fitsaboana mitovy amin’ireo tolotra fanome eny anivon’ny CSB. Olona manodidina ny 15 000 no kendrena hahazo io tolotra manakaiky vahoaka io.
Roa taona no nanaovana ny hetsika ary efa an-jatony ny fitsaboana natao manerana an’i Madagasikara. Ho an’i Fianarantsoa manokana, ma­nodidina ny 50 ny hetsika tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka notanterahina. Omaly, isan-karazany ny tolotra azon’ny mponina nositrahina maimaimpoana: fizaham-pahasalamana ankapobeny, fitsaboana nify sy aty vava, fitiliana homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, IST/VIH, tsy fanjarian-tsakafo… Mampia­vaka ity andiany ity ny fisian’ny fitiliana ny mivadi-tongotra (pieds-bots). Maimaimpoana avokoa ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsaboana mandritra ny hetsika. Raha misy tranga misy fahasarotana hita mandritra ny fizaham-pahasalamana na ny fitiliana ireo aretina samihafa, alefa avy hatrany eny amin’ny hopitaly lehibe ireo marary.

Vonjy

Partager sur: