Vitsy mpahalala nefa manana karazana tononkalo tsara kalitao sy manana ny mampiavaka azy i Felanavokon’Itasy. Maro ny hetsika fankalazana izao faha-100 taonany izao, natao hahatsiarovana sy hampahafantarana azy.
Anisan’ireo mpahay kanto tsaroana manokana amin’izao volana mey izao, na dia vitsy aza ny mahafantatra azy, i Felanavokon’Itasy. Nisy ny hetsika nanamarihin’ireo poeta namany sy nahita soa taminy izany faha-100 taonan’ity mpahay kanto iray ity izany, ny 13 mey teo. Anisan’ny nanome voninahitra an’i Felanavokon’Itasy, Ny Eja, fantatry ny maro eo amin’ny fiantsana tononkalo sy fitantarana angano. Ankoatra ny fahatsiarovana, tanjon’ny hetsika ny hampahafantatra ity mpanoratra manana ny maha izy azy, mendrika halaina tahaka, ity.
Razanadriaka Nety no tena anarany. Felanavokon’ Itasy kosa no anarana entiny miantsehatra eo amin’ny tontolon’ny asa soratra. Teraka ny 13 mey 1924 tao Miarinarivo izy ary nodimandry teo amin’ny faha-84 taonany. Mpanoratra anisan’ny nanana aingampanahy niavaka sy nisongadina izy, na dia tsy nalaza be sahala amin’ireo mpanoratra nitovy taminy, tamin’izany vanim-potoana izany, aza. Mpanoratra nivetso ny fitiavan-tanindrazana, indrindra ny marina, tao anatin’ny tononkalony. Nandalo teo imasony avokoa ireo fotoan-tsarotra niainan’i Madagasikara, toy ny tamin’ny tolom-panafahana 1947, ny tolom-bahoaka 1972, 1991, 2002, hatramin’ny nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana.
Maro ny hetsika fankalazana
Mahatratra hatramin’ny 1 000 isa ny tononkalo nosoratany. Nisy ny famoahana ny sanganasan’i Felanavokon’Itasy voalohany ao anatin’izao fankalazana ny faha-100 taonany izao. Boky mirakitra amboaran-tononkalo, nampitondraina ny lohateny “Fo tsy aritra”, nosoratan’i Felanavokon’Itasy ary navoakan’ny edisiona Sorakaliana, notohanan’ireo taranany. Teo ihany koa ny notanterahina tany Miarinarivo. Mbola hisy ny hetsika lehibe atao eto Antananarivo, iaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Lin