“Zavatra hafa izao no mipetraka. Taorian’ny septambra sy oktobra ary novambra nisian’ny “hetsika fotsy” ireny, hafa ny fipetraky ny raharaha. Tsy toy ny taloha intsony izany. Indrindra nohamafisin’ny fanjakan’antoko nanongana ny olom-boafidy izay filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha”. Izay ny fijerin’ny mpamakafaka politika, Raveloson Constant, ny amin’ ny ho fandehan’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fifidianana depiote izao. Zavatra hafa izay fanjakan’antoko mibaiko hoe ravana ny fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra teo aloha, desambra 2022. Hafa mihitsy izany, araka ny nambarany.
“Ny fahitako azy, toa ho voatery ihany ny depiote izay miditra ao. Raha tsy terem-panahy izy, izahay hanery azy hoe: ianareo ve tena hanova ary hanova inona?”, hoy izy. Angatahiny amin’izao fampielezan-kevitra izao: inona ilay hovaina? Momba ny fifidianana ihany ve? Efa miandry ny depiote voafidy eo izay. Satria efa maro no nahita volavolana tolo-dalàna momba ny fifidianana talohan’izao. Vonona izay volavolana tolo-dalàna izay. Mahazo mifampidinika ny amin’izay, ary mitondra azy ao amin’ny Antenimierampirenena. Fa hafa koa ny mety ho fifampitondran’ny andrimpanjakana, toy ny misy tsimatimanota dia manosihosy ny lalàmpanorenana sy ny maha masi-mandidy ny Antenimierampirenena, ohatra. Inona izany no hoentina mba ho tena arofanina henjana momba an’izay? Mba tena hofaizina izay manao an’izay fanosihosena izay. Santionany izay.
R. Nd.