SOMBIM-BAOVAO

Malagasy mpitsara baolina kitra efatra mianadahy, telo lahy sy vavy tokana, no manaraka fampiofanana any Le Caire, Egypte, ny 13 hatramin’ny 17 mey ho avy izao.Fiofanana karakarain’ny Kaonfederasiona misahana ny baolina kitra aty Afrika (CAF). Nison­gadina tamin’ny andrana hafainganam-pandeha izy ireo, nandritra ny adina ara-batana.

Ho fiatrehana ny fifaninanana afrikanina, taranja Rugby lalaovin’olona fito, sokajy lehilahy. Hisy ny fanomanana hataon’ny ekipam-pirenena malagasy, Makis, ny volana jona ho avy izao, any amin’ny Nosy Maurice. Miisa 23 mirahalahy izy ireo no ao anaty lisitra navoakan’ny Malagasy Rugby, omaly.

Hiady ny tapakila hiatrehina ny “lalao Olympika Paris 2024”, any Kigali Rwanda indray ny Malagasy mpilalao, taranja tenisy ambony latabatra. Araka ny fikarohana natao, fifanintsanana faharoa amin’ny ady tapakilan’ny JO 2024 ity hatao ity. Tsiahivina fa ireo Malagasy telo mianadahy, roa lahy sy vavy tokana, ihany no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy afakomaly, tany Antalaha, ny fifaninanana taranja Beach Soccer, “Festival Mazavaloha”. Misongadina ny ekipan’i Melaky, nandritra ny andro voalohany sy faharoa. Nahazo fandresena indroa izy ireo.

Partager sur: