La Teinturerie – Mafonja sy i Silo. Fampiarahana talenta naharitra tokoa ny azy roa lahy. Be mpankafy ary manan-kozaraina hatrany ireto mpanakanto ireto. Manome fotoana « ao an-tokotaniny », etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Toa ny mahazatra, hikisaka eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy ireo, amin’ny 10 ora alina.
Piment Café -Revy Lôlô sy ny tariny. Rahampitso ilay fotoan-dehibe handrasan’ny mpankafy, satria dia ho tafaraka an-tsehatra indray ry Benny sy Bebey ary i Hanitra, samy mpikambana tao amin’ny Lôlô sy ny tariny. Hanampy azy telo mianadahy mandritra ity fiarahana ity i Nini sy i Jean Marc Bontemps, eo amin’ny gitara.
Green any amin’ny Bart’Haingo Antsirabe. Izao indray vao hisehatra any Vakinankaratra ity tarika misongadina amin’ny mozika rock ity. Hamerina ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay ry Poon sy ry Jacquot. Fotoana ihany koa io hahenoana sy hahitana an-tsehatra an”i Landry, izay mpihira sady mpitendry vaovao ao amin’ny tarika Green.
Mandalo eto Madagasikara ny “Académie du hip-hop” avy any Paris. Ny 20 hatramin’ny 25 mey no ho avy handray anjara amin’ny hetsika maro manodidina ny rap sy ny slam ry zareo, izay tarihin’ilay frantsay mpanao rap, Grödash. Hifarana amin’ny fampisehoana izany ny 25 mey, ka hiray sehatra amin’i Grödash ireo Malagasy mpanakanto maro.