TSELATRA

Maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny lalana mampitohy an’i Mahasolo sy Bemahatazana. Teo amin’ny toerana atao hoe Ampoharamaso, fokontany Fenomanana, kaominina Mahasolo no nitrangan’izany, afakomaly. Ni­voaka tampoka ny lalana ny “tracteur” nentin’izy mivady vokatry ny olana ara-teknika. Naratra ilay ramatoa vadiny.
Naiditra eny Tsiafahy, afakomaly, ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka ny vadiny tao Ankofa, kaominina Alasora. Mamo io lehilahy io ka nifamaly tamin’ny vadiny. Notondrahany rano mangotraka anefa io vadiny io ka niendaka tanteraka ny hoditra tamin’ny sorony havia. Nosamborina ilay lehilahy ary niaiky ny heloka nataony.
Jiolahy telo lahy lavon’ny zandary tao amin’ny fokontany Antsira, kaominina Ibity, distrikan’Antsirabe, afakomaly alina. Nitondra omby halatra miisa efatra ireo olon-dratsy ka tazan’ny fokonolona. Nampandre ny manam-pahefana izy ireo ka raikitra ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy. Nirefotra ny basy. Maty voatifitra ny dahalo raindahiny efa nokarohina hatry ny ela sy ny namany roa lahy.
Teratany vahiny nilalao ranomasina maty an-drano tao Sambava, afakomaly. Nanararaotra nilomano io lehilahy 62 taona io. Sempotra tao anaty rano anefa izy ka nakarin’ireo nanatri-maso. Niezaka namonjy azy ny mpitsabo saingy tsy tana intsony ny ainy. Frantsay ity maty ity.
Tovolahy 19 taona nahatraran’ny mpitandro filaminana rongony niisa 90, tamin’ny harona plastika, tao amin’ ny kaominina Mahitsy, ny 14 mey teo. Nilanja 33,8 kg ireo zava-mahadomelina notsinjarainy tao anaty fonosana ireo. “Amidiny amin’ny tanora mitovy taona aminy, ary efa fa­naon’ity lehilahy ity io asa ratsiny io”, hoy ny zandary.

Partager sur: