VAOVAO TAMBATRA

Miisa 20 895 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara, ny volana avrily teo, izany hoe, nahitam-piakarana 12% raha oharina tamin’ny volana avrily, ny taon-dasa, izay 18 657 isa. Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany ary manakaiky ireo antontanisa voaangona ny taona 2019 ireo isan’ny mpizahatany tonga eto amintsika.

Nolaniana nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny didim-panjakana mametra ny tahan’ny fandaniana amin’ny fikirakirana ny vola miditra (frais de gestion) ao amin’ny Fonds souverain malagasy (FSM) ho 0,15% fara faha betsany. Ao anatin’io ny ampahany ampiasaina amin’ny fampandehanan-draharaha (frais de fonctionnement).

Efa mihodina ny milina mpanamboatra chips ao Faratsiho. Ankehitriny, miisa telo ireo orinasa ao amin’ny faritra Vakinankaratra, tamin’ny alalan’ny tetikasa ODOF, raha andalam-panomanana izany koa ny hafa. Nitombo nanaraka ny firoboroboan’ny orinasa ny kaoperativa ao Faratsiho misehatra manokana amin’ny fambolena ovy.

Miisa telo ireo tetikasa vaovao ho an’ny fiarovana sy fitantanana ny tontolo iainana eto Madagasikara dia ny “Harena”, “Riake” ary “Mizana”. Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga ny tetikasa “Riake” izay mifantoka
amin’ny fanatsarana sy fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.

Partager sur: