Vinaninkarena Antsirabe : napetraka ny Centrale agro-photovoltaïque

Fanambin’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ankehitriny, tafapetraka ao Vinaninkarena Antsirabe ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hisahana ny 20% ny filàna ao an-toerana.

Herinaratra ho an’ny rehetra! Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny fampiroboroboana ny fisitrahan’ny tokantrano ny herinaratra sy fampandrosoana ny sehatry ny famokarana. Omaly, nitokana ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro na ny Centrale agro-photovoltaïque tao amin’ ny fokontany Tsaratanana, kaominina ambanivohitr’i Vinaninkarena, Antsirabe, ny filoham-pirenena. Miavaka tanteraka ny fotodrafitrasa noho ny fisian’ny toeram-pikarohana sy fanofanana momba ny fambolena sy fiompiana ary koa ny fanodinana ireo sela ho lasa «biogaz». An­koatra izay, mamokatra zezika avy amin’ny compostage vo­katra organika ny toerana. Manampy betsaka amin’ny famokarana ny fotodrafitrasa; avo ny fipetrak’ireo Plaques solaires , misy voly isan-karazany kosa ao ambaniny ka entina hanondrahana izany ny «système goutte-à-goutte» izay azo avy amin’ny rano amin’ny vovo. «Tsy ho ela dia hametrahana toerana fiompiana akoho ao ambanin’ireo plaques», hoy ny filoha, nandritra ny lahateniny. Araka izany, hiroborobo tanteraka ny sehatry ny famokarana ao Vinaninkarena.

Matanjaka
Hihena hatramin’ny 1 000 000 litatra isan-taona ny solika hamokarana herinaratra ao Antsirabe noho ny fisian’ny Centrale agro-photovoltaïque. «Double vitrage» ny fotodrafitrasa, ny plaques ao ambony hanodinana ny hazavan’ny masoandro ho lasa herinaratra, ny ambany kosa hanao «réverbération» na hamerina ireo hazavana izay mipaka amin’ny tany ho eny amin’ireo «plaques solaires». Antony ihany koa nametrahana ireo fambolena ao ambany hiarovana azy ireo amin’ny vovoka. Porofon’ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fanatanterahana ny tetikasa. Ankehitriny, miditra amin’ny Reseau interconnecté d’Antananarivo (RIA), ny herinaratra vokariny. Ma­nana tanjaka 2 megawatts ny tobim-pamokarana, ary ma­mokatra herinaratra 9 megawatts isan’andro, izany hoe, mahasahana ny 20% ny filàna ao Antsirabe.

Henintsoa Hani

Partager sur: