Tetikasa ODOF- Manandriana : hanodina voasary 20 t isan’andro ny milina

Mitohy ny politikam-panjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Napetraka ao Manan­driana, faritra Amoron’i Mania, ny alakamisy teo, ny ozinina hanodina ny voasary ho ranom-boankazo, voasary makirana marihitra na koa ho lohamenaka izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “One District One Factory” (ODOF). Noho izany, hanodina voasary hatramin’ny 20 taonina isan’andro ny milina. Mamokatra voasary hatrany amin’ny 10 000 taonina isan-taony ny ao Manandriana. Very sy simba avokoa nefa ny 30 hatramin’ny 40% ny vokatra, noho ny tsy fisian’ny mpandray. Antony nahatonga ny taninketsa indrostrialy napetraka ao an-toerana.

Toekarena
Hampiroborobo ny famokarana sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny tetikasa. Ankehitriny, miisa 356 ireo tantsaha mpamokatra voasary sy voasary makirana mivondrona anaty kaoperativa 24, miara-miasa amin’ny orinasa Aromaria hitantana ny orinasa. Ankilany, nandrasan’ny tantsaha efa amam-polo taona ny orinasa toy izao hampiroboroboany ny seha-pihariany. Dodona, araka izany, izy ireo amin’ny hihodinan’ny milina. Marihina fa milina manodidina ny 60 amin’ireo 75 nafaran’ny firondram-panjakana no efa tafapetraka eny amin’ireo distrika 53 anatin’ny faritra 21. Efa mihodina sy mamokatra avokoa ny an­kamaroan’izany.

Henintsoa H.

Partager sur: