Vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro: lasa manaikitra aloha ny moka mitondra tazo

« Vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro dia miova manaraka izay koa ny fomba fiainan’ny moka. Lasa manaikitra atoandro kokoa ny moka tsy toy ny taloha », hoy ny tale misahana ny areti-mifindra, ny Dr Andriamino Brusa. Vao mihilana ny masoandro dia manomboka manaikitra ny moka. Nirongatra izany tamin’ny taon-dasa izay fotoana nahabe ny orana. Ankoatra ny fiarovan-tena anaty lay rehefa matory dia tokony hodiovina ny manodidina handroahana ny moka tsy ho tamana eo an-tanàna sy ao an-trano.
Ampirisihina ny olona hiompy trondro sy ganagana satria mihinana ireo zanaka moka ireny biby fiompy ireny ka manapaka ny fifidindran’ny tazomoka. Ny ganagana ma­nampy amin’ny fanalana ny ahidratsy ka mahatsara ny voka-bary.
Toraka izany ny fambolena ireo karazana zavamaniry mandroaka moka, toy ny cyprès sy ny veromanitra. Omena maimaimpoana ny lay na mandritra ny fizarana faobe atao isan-taona na rehefa fizarana mitohy eny amin’ny tobim-pahasalamana ho an’ireo tokony hisitraka izany. Mandray andraikitra ny fanjakana amin’ny fanasaziana ireo olona mivarotra kojakoja ara-pahasalamana tokony ho maimaimpoana.

Tatiana A

Partager sur: