Alatsinain’ny pantekoty : nahasarika mpankafy maro ny «Tsinjaka be» tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe

Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara ny fampisehoana « Tsinjaka be » tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, omaly, tonga marobe ireo mpankafy. Hetsika nokarakarain’ny Global Action.

«Tsy nahasakana ny seho loatra ny fampielezan-kevitra ara-politika sy ny seho maimaimpoana teto an-drenivohitra satria namaly ny antso avokoa ny mponin’Antana­narivo», hoy ny mpitantana eo anivon’ny Global Action, Ran­dimbison Orlando. «Amin’ny maha tsinjaka be ny seho, tsy mifidy gadona, tsy mifidy olona fa samy nomena ny anjarany avokoa na ny tanora na ny olon-dehibe na ny ankizy», hoy hatrany izy. Neza­hina ny tsy hisian’ny mpanakanto miverimberina teny ambony sehatra. Nandray anjara nanafana izany ireo mpanakanto kalaza maro nanerana ny faritr’i Mada­gasikara. Anisan’izany ry Dadi love, Lion Hill, Nael, Agrad, ny tarika Sabata Andavamam­ba… “Nanana adiny iray latsaka, teo anelanelan’ny 45 hatramin’ny adiny iray sasany teo ho eo ireo mpanakanto nahafahany nanome fahafam-po ny mpijery”, hoy hatrany
ny mpikarakara ny hetsika. Nisokatra tamin’ny valo ora maraina ny vavahady teny an-toerana, nifarana tamin’ny 6 ora hariva teo ny seho.

Fotoana hialana voly
“Andro fanararaotana hialana voly ny fotoan’ny fety tahaka izao, fotoana ihany koa ahafahana mijery fampisehoana satria mora ny vidim-pidirana”, hoy ny mpankafy iray nanontaniana. Ankoatra izay, natao hialana amin’ny rotorotom-piainana andavanandro ihany koa ny fotoana toy izao, hoy hatrany ireo mpankafy. Nankafizin’ny mpijery ny ankamaroan’ireo mpanakanto ka antony nandrisika azy hijery ny fampisehoana. Hitohy hatrany toy ny isan-taona ny fitetezam-paritra ataon’izy ireo. Andrasana in­dray ny seho ho an’Antanana­rivo amin’ny fotoana akaikin’ny faran’ny taona. Mikendry ny mpanakanto iraisam-pirenena indray ny mpikararaka amin’ny taona ho avy, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: