Atsimo Andrefana: miteraka asa ny fisian’ ny orinasa

Lazaina fa « Fasan’ny tetikasa » ny tapany atsimon’ny Nosy, ary vao mainka miharatsy ny zava-misy. Maika ny hamahana izany, izay efa misy ny tetikasa vonona hampiasa vola any an-toerana.

Nitatitra ny Banky iraisam-pirenena fa ianjadian’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary any Atsimo. Miaina anaty fahantrana ny 91% ny mponina any Atsimo Andrefana, Anosy ary Androy, araka ny antontan-taratasy lasitra ho an’ny fiaraha-miombon’antoka amin’i Madagasikara 2023-2027.

Manamafy ny filohan’ny vovonana Hanavotra an’i Toliara (Hato), Erody Dignot, fa tsy mitsaha-mitotongana ny fari-piainan’ny mponina any Atsimo Andrefana. Mihena ny fidiram-bola nefa tsy midangana ny vidin-javatra tena ilain’ny mponina (PPN). Mihena ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono any ambanivohitra, ka mirona any amin’ny asan-jiolahy ny olona sasany.

Mitarika fikambanana maromaro any Toliara i Motata. Toy ny Fikambanan’ny mpitarika posy any Toliara, ny Fikambanan’ny mpitatitra Toliara (FIPITO) ary ny VFMT, izay vovonana mamondrona fikambanana miisa 64 ho fampandrosoana an’i Toliara. Nam­barany fa manana harena voajanahary mihoapampana any Toliara. Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mponina satria maro ny mpifindra monina tonga any, saingy tsy misy ny asa, izay mila vahana haingana.

Tetikasa harena an-kibon’ny tany
Nomarihiny fa «nanome toky hijery ny sosialim-bahoaka ny fanjakana, koa andrasanay ny fanatanterahany azy. Tsy misy anefa ny fampandrosoana raha tsy misy ny fotodrafitrasa, ny orinasa ary ny asa ».

Nanamafy izany i Erody Dignot, fa vahaolana voalohany ny famoronana orinasa mba hanome asa ny tanora. Efa misy ny tetikasa vonona hampiasa vola amin’ny harena an-kibon’ny tany. Manana tetikasa sosialy amin’ny fanabeazana, ny fahasalamana ary manampy ny mponina izany tetikasa izany.

Anisan’ny mampiavaka ny faritra Atsimo Andrefana tokoa ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Maro ny tetikasa fampiasam-bola vaventy efa nanomboka tany an-toerana, saingy tsy nitohy. Izany no mahatonga ireo fikambanana isan-tsokajiny any an-toerana mitaky ny hamerenana azy ireny, mba hiteraka asa ho an’ny mponina any ifotony, indrindra ho an’ny tanora.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: