Lasan’ny mpaka an-keriny ny olona dimy mianaka tao Tsaratanàna. Nalain’ny jiolahy ny telo mianaka tao Mahavelona, Ankazobe. Nanao fangalam-piery ny dahalo sy ny mpitandro filaminana, nandritra ny faran’ny herinandro.
Vehivavy roa sy lehilahy telo nalain’ny dahalo 30 lahy nitam-piadiana tamin’ny zoma alina. Tao amin’ ny tanànan’Ambodikininina, fokontany Betenina, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna no nisehoan’izany, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny Kalachnikov, Mas 36, ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao avy tamin’ny fianakavian’ireo lasibatra.
Tsy sahy nanohitra ireo mpaka an-keriny ny mponina tao an-tanàna. «Raiki-tahotra tamin’ny fampihorohoroana izahay», hoy izy ireo. «Vehivavy 25 sy 40 taona niampy lehilahy 30 taona roa sy 36 taona ireo lasan’ny mpaka an-keriny”, hoy hatrany izy ireo. Mponina ao Betsiboka avokoa ny telo raha toa ka avy eto Analamanga ny iray tamin’ireo lasa takalonaina. Nandositra nianatsimo ny olon-dratsy taorian’ny asa ratsiny. Nampandre ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana avy hatrany ny fokonolona.
Hazalambo
Mandry tsy lavoloha ireo mponina ao amin’ny fokontany Betenina vokatry ny fakana an-keriny. Mbola tsy tafaverina eo amin’ny fianakaviany izy dimy mianaka, raha ny angom-baovao voaray farany, omaly alina.
Etsy ankilany, mihatrana an-kianja, manao ny fikarohana ireo dahalo naka takalonaina ny zandarimaria sy ny Tafika Malagasy. Na eo aza ny fahatrarana dahalo mpaka an-keriny izay miseholany toy ny ao Ankazobe sy Anjozorobe, mirongotra hatrany ny asa fampihorohoroana ataon’ny naman’izy ireo. Tsiahivina, vao ny herinandro lasa teo no nahatraran’ny mpitandro filaminana ny olona ahina ho tompon’antoka amin’ny fanapariahana fitaovam-piadiana mahery vaika hampiasan’ireo dahalo mpaka an-keriny.
Tsiferana R.