Manondrana vokatra betsaka mihazo ny Vondrona eoropeanina (UE) i Madagasikara raha oharina amin’ny fanafarana. Nampahafantatra izany ireo tomponandraikitra samihafa nandritra ny herinandron’i Europa teo. Novakina bantsilana ny momba ny fifaranarahana ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Nampahafantarin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana nandritra izany ny fizotry ny fifandresen-dahatra anatin’izany, ny nidirantsika tao, ny tombontsoa, ny dingana vita ary izay mbola hatao ao anatin’izany. Nilaza ny tale jeneralin’ny fadintseranana fa mbola havaozina ny fifampiresahana amin’ny Vondrona eoropeanina mahakasika ireo lisitry ny entana miditra eto amintsika izay tsy maintsy mandoa haban-tseranana, araka ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta ny 1 mey 2023, momba ny tsy fandoavana haban-tseranan’ireo entana avy any an-toerana. Ankoatra izay, nitondra fanazavana momba ny tombontsoa azo avy amin’ny fifanarahana ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Na izany, mbola sakana amin’ny indostria malagasy ny hifaninana amin’ireo indostria any ivelany noho ny tsy fahampiana fitaovana. Mbola tsy mahafeno ireo fepetra takin’ny tsena eoropeanina toy ny fenitra sy ireo fitsipika samihafa isika. Marihina fa anisan’ny manampy betsaka an’i Madagasikara ny Vondrona eoropeanina.
Henintsoa H.