Foko eto Madagasikara mbola mahatazona ny fombany, ny kantony, sns, ny Mikea. Nanamporofoana izany ny hetsika «Focus sur le peuple Mikea» tao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely. Manan-karena kolontsaina ny foko Mikea, raha ny zava-naseho teny an-toerana. Nahaliana mpikaroka sy olona tsotra maro ny fiainan’ireto foko monina any atsimo andrefan’ny Nosy ireto.
Ny faran’ny herinandro teo, nasehon’ny Mikea tamin’ny alalan’ny Koike Mikea ny ampahany amin’ireny kolontsaina sy fomba amam-panao ireny. Nandrehitra afo tamin’
ny alalan’ny hazo roa ampifampikasohana. Ny fanaovana «koike» na ilay antso atao any anaty ala hoenti-manangona ireo ankizy, tanora, handeha hihaza. Ny fomba fandrahoana sakafo sy ny fanajana ny ala, sns. Manomboka very tsikelikely izany noho ny fiovan-javatra maro ao amin’ny toerana misy azy ireo. Iray amin’ireny ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Tsikaritra fa ny vahiny indray no liana amin’ny fampahafantarana ny hasin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Ny boky maneho ny momba ny Mikea, navoaka ny sabotsy 18 mey, mbola vahiny no nanoratra azy. Ny sarimihetsika fandalinana momba ny Mikea, vahiny no namita azy manontolo, sns.
Fantatra araka ny nambaran’ireny mpikaroka ireny fa maneran-tany, ny Mikea ihany sisa no fantatra fa foko afaka mivelona anaty ala tsy misy rano.
HaRy Razafindrakoto