INDRAY MIJERY

Sahirana ny mpiteraka sy ny mpiandry marary rehetra ao amin’ny Cenhosoa fa tsy mandeha ny rano. Voatery mivatsy avy any an-trano ny fianakaviana. Olana tsy vao izao no niseho izany fa efa amam-bolana maromaro, hoy ireo manana marary tsaboina ao. Filana fototra amin’ny asam-pitsaboana anefa ny rano ka tokony hovahan’ny tomponandraikitra ny olana.

Hikorontana ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary ny ilany atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano antonony na vaventy avy any atsimo atsinanana sy atsimo, ateraky ny tsioka atsimo sy ny varatraza. Hisongadina ny fidinan’ny maripana ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’i Madagasikara ato anatin’ny roa andro ho avy.

Mandritra ny fidinana any Morondava nijery ny fametrahana ny scanner ao amin’ny hopitaly manara-penitra Namahora ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nitsidika ny laboratoara fanaovana fitiliana samihafa koa izy. Tanjona ny hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka satria saiky efa vita ao avokoa ny fitiliana ka tsy sahirana intsony ny vahoaka mandeha lavitra.

Amin’ny alalan’ny fandidiana no hitsaboana ny hernie, vitsy anefa ireo manana fahafahana manao izany. Nanantanteraka fandidiana maimaimpoana ho an’ireo zaza tratry ny hernie indray ny mpitsabo mpandidy eny amin’ny CHU HJRA, ny faran’ny herinandro teo. Nizotra am-pilaminana ny fandidiana.

Partager sur: