“Mada dog show”: Chien de race 200 nandray anjara tamin’ny fifaninanana hatsarana

Tontosa tetsy amin’ny zone Zital Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika “Mada Dog show”. Hetsika nokarakarain’ny Association des cynophiles de Madagascar (ACYM). Nana­tanterahana fifaninana hatsarana “concours de beauté” teo amin’ireo alika tsara karazana (chien de race) monina eto Madagasikara. Nanodidina ny 200 ireo alika tsara karazana nandray anjara tamin’ny fifaninana nandritra ny roa andron’ ny hetsika teny an-toerana. Nahafantarana ny alika tsara indrindra, manaraka ny lamina maneran-tany sy ny tsara taranaka amin’ireo sokajy sy karazany isaky ny chien de race ireo. Nandray anjara tamin’ny fitsarana ireo alika ny mpitsara iraisam-pirenena. “Afaka mandray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany mahakasika ny fifaninanana amin’ny hatsarana ireo alika voasafidy nandritra ny hetsika”, hoy ny filohan’ny fikambanana ACYM, Herilala MananJean. Tanjona ny hanarahana ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fiompiana sy fitaizana ny alika eto Madagasikara.

Niditra ao anatin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara
Niditra ao anatin’ny federasiona Cynelogique international (FCI) i Madagasikara tamin’ny novambra 2023. Misy firenena 98 ny mpikambana ao aminy. “Anisan’ny fepetra takina amin’ny fidirana ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena io ny antony nanaovana ny hetsika”, hoy hatrany ny filo­han’ny fikambanana ACIM, Herilala MananJean. Ny fidirana ao amin’ny sehatra FCI izao dia maneho fa afaka mifaninana amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara na dia ao anatin’ny firenena mahantra sy tsy mandroso aza, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: